Loading...

Loading

Loading
(You are in the browser Reader mode)

Toko 18 - Fivoriambe, Manampy Betsaka Eo Amin’ny Fanompoana Kristianina

Ny Maha-Zava-Dehibe Azy

Anankiray amin’ireo fomba fiasa manan-danja indrindra eo amin’ny asantsika ny fanaovana fivoriambe. Anisan’ireo mahomby indrindra izany mba hisarihana ny sain’ny olona. - TFC, b 6, 1. 31. FK 273.1

Eo amin’ny fanaovana ny asa, dia very hevitra isika ny amin’ny fomba hanesorana ireo sakantsakan’ny fitiavana an’izao tontolo izao sy ny hevitra mibahana mialoha, ary ny hitondrana ny fahamarinana sarobidy eo anatrehan’ny olona, izay zava-dehibe ho azy ireo tokoa. Efa nampianarin’ny Tompo fa anankiray amin’ireo fitaovana mahomby indrindra eo amin’ny fanatontosana io asa io ny fivoriambe. - TFC, b. 6, tt. 31, 32 . FK 273.2