Loading...

Loading

Loading
(You are in the browser Reader mode)

Fizarana Fahafito — Fahasalamana sy Fahombiazana

Satria ny saina sy ny fanahy miseho amin’ny alalan’ny vatana, noho izany ny asa saina sy fanahy dia miankina amin’ny herim-batana. Vokatr’izany, izay rehetra manatsara ny fahasalamana dia mifaninana hanatsara ny herin’ny fanahy sy ny toetra voalanjalanja. Raha tsy misy fahasalamana, dia tsy misy olona afaka hahazo sy hahatanteraka ara-dalàna ny andraikiny eo amin’ny tenany sy ny manodidina azy ary ny Mpamorona. Ilaina noho izany ny fikarakarana ny fahasalamana. Ny fandaharam-pampianarana rehetra dia tokony hanomboka amin’ny fianarana ny momba ny vatana sy ny fahadiovana. - Ed, t. 195. HAT 205.1